You are here: home > Tononkira > Tann Faya

Safidiko (Tann Faya)

https://tononkira.serasera.org/hira/tann-faya/safidiko

Ampy ahy ny Fitiavana manodidina ahy anie ka ataoko tsy olana na hoe Célibataire aho
Ny Vatako salama na ny Saina na Fanahy, k' aza mba idirana f' aleo aloha handeha irery aho
Fa na inona hitranga eo, 'nareo aza manahy
Efa làlam-piainana io efa safidy ny ahy
Ampy ahy ny Fiainana mahasambatra ahy anie tsy ampidirako olana f' aleo Célibataire aho

Fa ny ahy Falalahana tsy ho voavidy vola dia 'zay filazanao anahy fa zao no hitako mety
'Zaho tompon' ny tenako,
Aza mba lany rora hitsara anahy fa Fiainako io na mety iTsiky dia ampyo na tsy mety

Lavitra fitiavana 'zay mahabe olana aho
Za tsy mila hampanantena anareo volana
'Lay fisiana sipa ohatran' ny havandra sy orana
'Zaho tsy mila gidragidran' olon-droa mahatorana

Ny Namana rehetra efa olom-tiako 'reny,
Ny Havana rehetra efa olon-tiako 'reny
Za selibatera fa ilay tany miodina ihany dia mahagaga fa na irery aho, ny oroko io toa miaina ihany

Ny namana rehetra efa olon-tiako 'reny,
Ny havana rehetra efa olon-tiako 'reny
Tsy adala anie Jesôsy ra nanao Selibatera f' aza mba mifanatsafa, ianao ve tsy maintsy miteny !

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tann Faya
Mpamaky : 98
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 23/02/2020 10:48:52
ID : 12574

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo