Mbola tia (Tann Faya)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fiainana tsizarizary!
Torimaso tsy hita intsony!
Nenina tsy aloha fa afara, any anatiko mikoro e!
Fa mbola tia anao aho!
Fa mbola mila anao aho!
Miangavy mandohalika mba raiso aho
fa diso aho, raiso aho!

Na mamihina olon-kafa aho!
Sarinao ny an-dohako any eeh'!
Toa manangatra ahy ny lasa!
F' ianao ihany no am-poko any!
'Zaho tsy hanolotra anao teny mamy 'zany
'Za tsy hamorona hoe toky fahatany

Raha nilaozanao 'nge ry Ikala mahatsapa fa very mpanjaka!
Miezaka mankahala anao 'nefa fitia no mba tsapa!
Mbola manantena hoe mbola hisy ny mazava
Dia izaho sy ianao hanangana tontolo vao ho ahy sy ho anao!
Ho ahy sy ho anao
Ny sisa androm-piainako hijoroko eo anilanao
Hiezaka hanaporofoko fitia izany

Mody mitapy aho, mody hoe mahery!
Mody matanjaka aho nefa malahelo!
Tsy mety mikatona hatreto ho'aho 'lay fery!
Eny ivelany aho mitsiky fa any anatiko ao malemy!

Tsoriko aminao, fa mbola tia anao aho!
Averiko aminao, fa mbola mila anao aho!
Ieee

Miangavy mba miangavy mba raiso aho
Fa diso aho raiso aho

Fa mbola tia anao aho

Raha nilaozanao 'nge ry Ikala mahatsapa fa very mpanjaka!
Miezaka mankahala anao 'nefa fitia no mba tsapa!
Mbola manantena hoe mbola hisy ny mazava
Dia izaho sy ianao hanangana tontolo vao ho ahy sy ho anao!

'Zaho tsy hanolotra anao teny mamy 'zany
'Za tsy hamorona hoe toky fahatany

Ny sisa androm-piainako hijoroko eo anilanao
Hiezaka hanaporofoko fitia izany

Mody mitapy aho, mody hoe mahery!
Mody matanjaka aho nefa malahelo!
Tsy mety mikatona hatreto ho'aho 'lay fery!
Eny ivelany aho mitsiky fa any anatiko ao malemy!

Fa mbola tia anao aho
Fa mbola mila anao aho
Aiaiaiaia
(Miverena re, miverena re)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tann Faya
Vangy : 3517
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 24/08/2018 18:12
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122