Mandalo (Tamboho Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fandalovana ihany
Raha ny eto an-tany
Ka mba manaova ny soa
Banjino ilay Ray tsitoha

Isika ho vovoka
Manaova ny marina
Ny eto dia sento tomany
Hajao re ny hasin’ny tany

Ny vola sy harena
Tsy hitondra mankaiza
Tsarovy fa hifarana izany
Ny soa no atao sesilany

Ho anao izay mihaino etoana o!
Ity re no hafatro farany
Tsinjovy ny ory fa ndrao
Hifarana izao rehetra izao
Ho avy ilay Avo hitsara
Ianao tsy ho ratsy fiafara


Tonony sy feony: RaTiana Randria


Tarika: Tamboho Gasy

Faha 08 Aprily taona 2019
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tamboho Gasy
Vangy : 872
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : randrianandrasana
Daty : 24/04/2019 15:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1515