Ampidiro aloha ny tenimiafina
ampototry ny hazo fijaliana (Talenta)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa eto ampototry ny hazo fijalianaoTompo no anaterako ny otako
Fa tsy zakako, ka apetrako izao(eto antongotrao)
Ekeo Tompo o ! ny fiverenako
F’inty aho manantona Anao
Dia noho izao ve mpanota tsy mendrika
Dia noho izao ve olon-tsinontsinona
Dia noho izao ilay nihosompotaka Tompo o !
Navotanao, nodiovinao dia notiavinao
Kanefa Ianao ilay Mpanjakan’ny Mpanjaka
Nefa Ianao ilay Zanak’Andriamanitra
Nanetry tena Ianao Tompo o !
Endrey mamiko loatra e ! ny fitiavanao
Ref
Ankehitriny Tompo mba raiso izao hira izao
Fa vokatry ny fo nokaloinay mba ho Anao
Satria maminay sy sitrakay tokoa Tompo o !
Ilay fitia nitiavanao ireto adalanao
Ny vola sy ny harena ry Tompo tsy anananay
Fa he !manolotena, mba raiso izahay
Ny fo,fanahy sy tena Tompo o !
Ho Anao, ho Anao irery , ho Anao mandrankizay
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : TalentaVisites : 8211
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : mbolatalenta
Date : 31/10/2012 10:37
