Ho an'iza ny hazavana (STK Fanilo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jehovah ô foko ho Anao
Ka ny hazavanao no honina ao
Toa lavon’ny fahotana voagejan’ny hadalana
Fa mbola manantena ho raisinao, miandrandra famonjena aho
Tsisy ahiahy intsony fa ao ilay fahazavana

Jehovah ô indro ny foko ho anao
Ka ny hazavanao no honina ao
Tsy hanao intsony efa fay sy reraka
Ka ny foko ho tony dia ho sambatra
Ho ahy ny hazavana zay tsy mendrik’ahy

Raha (ny) ditrako efa neniko
Ka ny tanako no atolotro
Be ireo adalana ratsy izay tanterako
Tao ireo fahotana tsy ho averiko
Ho ahy ny hazavana ‘zay tsy mendrika ho ahy

Tonony sy feony: Mazava ANDRIANANDRASANA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : STK Fanilo
Vangy : 586
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ravonitaha
Daty : 01/07/2019 10:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.579