Neny ianao (Steph Rambi)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy fotoana aho miantso matetika ny anaranao
Anarana tiako izay miverimberina ao ambavako ao
Neny, mama, azo antsoina koa hoe reny malala
Izay niantsoako anao ato anatin’izao hira izao

Neny ianao, ilay taratr’ hazavana
Nanova ny fijeriko
Neny ianao, ilay fahazavana
Nitaratra ny fiainako

Maro ireo bedy, bedy kely nanitsianao ahy hatramizay
Ao koa ireo pejy nosoratanao hotsaroako rahatrizay
Niady mafy ianao hisandratan’ilay zanaka adala
Valaka ianao, dia mbola antsoinao hoe zanakao malala

Neny ianao, fitiavana
Nanome tsisy tambiny
Neny ianao, ilay namana
Zaraiko ilay tsiambaratelony

Niezaka foana ianao hanohana ahy
Mety nihafy noana, hanomezana ahy
Nefa ny fotoana dia mandalo
Dieny mbola mihaona atolotro anao izao hira izao

Neny ianao, ilay taratr’ hazavana
Nanova ny fijeriko
Neny ianao, ilay fahazavana
Nitaratra ny fiainako
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Steph Rambi
Vangy : 3679
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 21/04/2019 11:19
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128