Raozy Manambaka Raozy (Lalao Rabeson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raozy anie aho manambaka raozy
(Hé, ka raozy é é) Raozin’ilay malalako ilay malalako samirery
(Hé) Fitia tsy mba varomaty fa ho doria, ho doria
Ny hisaraka aminao dia ho sanatria

(Adala ho'aho) Adaladala foana ireo tsy tia
(Hé mahita e) Mahita antsika roa miara-dia sy mifankatia
(He) Na eny an-dalana eny na eny, eny an-tsena ô !
Isekely ihany no volamena

Tazako misy jiro eny Soanieràna
Jereko ny lera, tsy mbola tara
Haody haody ry Iarivo, ry Iarivo é
Tapaka tsinay Antananarivo.

(Ka raozy anie aho) Raozy an’aho manambaka raozy
(Hé, ka raozy é ) Raozin’ilay malalako ilay malalako samirery
Fitia tsy mba varomaty fa ho doria, ho doria
Ny hisaraka aminao dia ho sanatria

(Adala ho'aho) Adaladala foana ireo tsy tia
(Hé mahita e) Mahita antsika roa miara-dia sy mifankatia
(He) Na eny an-dalana eny na eny an-tsena ô !
Isekely ihany no volamena

Indray andro izay anie aho ka nanao fotoana
Tamin’i Vao kelin-dRazanatsoa ao andrefanay
Nefa inona hoy ianao fa dia rava maina rava maina
Izaho tsy tonga fa izy hono dia nangaina.

(Ka raozy anie aho) Raozy an’aho manambaka raozy
(Hé, ka raozy é ) Raozin’ilay malalako ilay malalako samirery
Fitia tsy mba varomaty fa ho doria, ho doria
Ny hisaraka aminao dia sanatria

(Adala ho'aho) Adaladala foana ireo tsy tia
(Hé mahita e) Mahita antsika roa miara-dia sy mifankatia
(He) Na eny an-dalana eny na eny an-tsena ô !
Isekely ihany no volamena

Ho zendana angamba ianao raha mandre izany
Izaho nefa tsy taiza fa teo akaikin’i Raozy ihany
Raozy ihany no tena tiako, fifaliako e
Satriko i Raozy ihany no itosiako.

(Ka raozy anie aho) Raozy an’aho manambaka raozy
(Hé, ka raozy é ) Raozin’ilay malalako ilay malalako samirery
(Hé) Fitia tsy mba varomaty fa ho doria, ho doria
Ny hisaraka aminao dia sanatria

(Adala ho'aho) Adaladala foana ireo tsy tia
(Hé mahita e) Mahita antsika roa miara-dia sy mifankatia
(He) Na eny an-dalana eny na eny an-tsena, eny an-tsena ô !
Isekely ihany no volamena
Isekely ihany no volamena
Isekely ihany no volamena
Isekely ihany no volamena

A/C : Rabeson Jeannot
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lalao Rabeson
Vangy : 39
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Solomona17
Daty : 10/10/2024 17:29
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139