FATRATRA LOATRA (SLK FJKM Manarintsoa Finoana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
FATRATRA LOATRA
Fatratra loatra raha ny fitiavanao
Ry Jesosy Tompoko
Famindram-po tsy hita lany
No natolotrao ho tinafiko

Fahafatesana no miandry ahy
Afo mandevona koa
Fa ny tananao mahery
No misarika ahy mba ho velona

Rendrika tanatin’ny adalana
Ditra no nameno ny fo
Fa ianao no nampody ahy
Ho ao am-bala indray
Ka nanagana mba ho zanakao

Ny fifaliana sy ny fiadanam-po
Lova natolotrao ahy
Fiainana mandrakizay
No nomaninao ho vantaniko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SLK FJKM Manarintsoa Finoana
Vangy : 540
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Laza ADD Ambohimangakely
Daty : 08/09/2022 20:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0739