Human (Shyn)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nameny hanjakanao
Tsisy vidiny tsisy tambiny
Ny tany
Fitiavagna aby izany
Tsy fahatanitany
Nameny fagnahy natony niavaka
Nameny fo sy fitiavagna
Ho faly
Hifagnampy sy hiavagna
Fa tsy hizarazara

Dia tonga ny fandrosoana
Maro raha nindesiny niova
Adigno takeo ery
Ny hasin’ny maha-olombelo
Tonga koa ny alahelo

Nivoatra be ny toe-draharaha
Nifamono na dia mpirahalahy
Fitiavan-tegna na koa hevitra tsy mitovy
Dia nifankahala

Dia nisy firenena niady
Dia nisy zazakely tomany
Kamboty tsy fidiny
Fa rava koa ny tranony
Ny aretina mandripaka mafy
Lazaina fa natiora migafy
Toetr’andro lasa adala
Hafanam-be sy avandra

Vola no mibaiko
Olo jiaby ambony tany
Isanandro, isanandro isanandro
Mitsapepy miaragna azy

Etsy an-kilany etsy an-daniny
Mandrora mitsilagny
Manimba zava-boary sy ireo tontolo
Tapitra haringana eh

Mandoalika fa resy
Loza maro mifanesy
Fahantrana no manefy
Ireo taranaka ho avy..
Aiza anao Zanahazy
Aiza anao ?

Tany ity antsika miala azy
Izy tsy mitavandra antsika
Izy fototron’ny aigna
Mila fagnajana so anao diso
Ho very antsika eh

Aza tapahinao ny ala
Aza lotoinao ny rano
Aza simbana ny rivotra
Aza poizinina ny tany
Miankina amintsika ny ho avy
Antsika tsy voatery hifamosavy
Mbola afaka manarina
Anao mahafantatra ny marina

Mendrika ve antsika hiegna aketo
Isanandro vaky feno sento
Very lalagna eh
Dieny mbola tsy tara zah miangavy anao
Arovy izay tavela mbo tsy ho anagnenao
Za mbola tsy kivy
Mbola matoky antsika eh

Ndao harovantsika ny ala
Ndao harovantsika ny biby
Harovantsika koa ny rano
Satria tany ity no tragno

Tokana namen-janahary anao
Mahatoky anao zaho
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Shyn
Vangy : 892
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : kolokoloina
Daty : 26/11/2023 14:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727