Ho an'i Gasikara (Shyn)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mangataka zaho miangavy anao itandregny
Mangataka zaho satria mila anao ny firenena
Tsy azo ilavigna fa antsika latsaka ankateregna
Kay magnantso anao satria firaisan-kina no hery
Misy aminao ny fahalalagna sy fahendregna
Niketrika anao atr'izay tsisy mbô nitandregny
Kay fotoagna izao tsy iambina ny hafa
Fa ihezaka ho tafa ah
Miainga avy any aminao
Kay andao

Iaraka agnôva, iaraka agnôva
Anambatra hery anambatra saigny
Ka ipetraka ho lôva, ipetraka ho lôva
Ho lovain-dreo avy agny afara
Ovaintsika ny lalan'ny tantara
Manomboka iniany eh

EH EH EH EH

Ny akamoagna ialao fa fahavalonao sy zaho
Kay aza mora kivy fantako izio vitanao
Aleo iketrika ny coco
Mokondoha ana commando andao
Io jaly io resintsika, ahitantsika fika ah
Ampianaro aby ny gasy
Fahaizagna basy iatrehantsika anazy
Mamorona asa andreo ry tanora
Aza miala bala na inok'idona
Fitondrantegna avao
Za matoky anao tsy iraviravy tagnagna fao
Sahy handray andraikitra asahy ijoro
Ndray fanantenagna an'ny tany sy tontolo

Afaka miôva, afaka miôva
Kipiagna le maso avy ilay nandrandraigna igny eh
Dia ipetraka ho lôva, ipetraka ho lôva
Ho lovain-dreo avy agny afara
Ovaintsika ny lalan'ny tantara
Manomboka iniany eh

EH EH EH EH

Toe-tsaigna ovao manomboka izao
Kay fadio ny mizarazara
Fadio ny mifampikafara
Fifagnampiagna ilaigna
Andao avotagna ny firenena
Tsy asiagna resaka foko
Tsy asiagna resaka loko
Tsy itsanga-menatra eky gasy eh
Fa amiratra hatrany andafy
Izaigny ny faniriako oh

Iaraka agnôva, iaraka agnôva
Ka ipetraka ho lôva, ipetraka ho lôva
Ho lovain-dreo avy agny afara
Ovaintsika ny lalan'ny tantara
Manomboka iniany eh

EH EH EH EH
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Shyn
Vangy : 952
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : fitia9mandrosomampionona
Daty : 27/07/2022 16:25
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1586