Tsy ho nofy (Sandra)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tiako ianao kanefa sarotra amiko
Ny hanadino ny lasa an'eritreritro
Rehefa tsy anilanao aho dia mitoreo
Mitalaho aminao aho ka mba jereo

Enga anie ka tsy ho nofy ny tantarantsika roa
Ka ho tsaroako na matory na mifoha
Maizina ny tontoloko raha tsy eo anilanao
Tiako ho mandrakizay ny antsika sy ianao

Taty aoriana dia nihamafy ilay fitia
Nitoetra tamiko ilay fitiavanao mahery
Tonga ny alina dia manonofy anao aho
Tiako tsy ho nofy ilay eo anilanao

Enga anie ka tsy ho nofy ny tantarantsika roa
Ka ho tsaroako na matory na mifoha
Maizina ny tontoloko raha tsy eo anilanao
Tiako ho mandrakizay ny antsika sy ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Sandra
Vangy : 2483
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : mahakanto
Daty : 18/03/2018 20:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0745