Zafindrasoa (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba mahagaga ry Zafindrasoa
Tampotampoka teo nanambady an’i Lita
Nanjary resaky ny ao an-tanana e!
Nifampikitika daholo ny tary sy sipa.
Fa nanomboka teo hono i madama kely,
niova fihetsika niova fiteny,
Tsy niresaka intsony tamin’ny akamakama e!
fa ambarany adala ny mifandany zara.
Dia lazainy tsy mety koa hono ny ataonay roa,
Firy taona niarahana tsy misy n’inona n’inona,
Azafady mihitsy e ry madama Zafindrasoa,
Izahay mandinika tsara vao miara-manidina e.

ref:
Fa raha ny androany aloha,
Dia mbola izao ny ao an-doha e
Nifanaja foana izahay, fahiny sy ankehitriny
dia efa izay ho’aho, dia aleo ho anay ny anay e.
Fa ny anay ho’aho rehefa zay zay zay,
Rehefa izy no tandrify
ny anjara tsy midify dia efa izay ho’aho,
dia aleo ho anay ny anay e.

Toa azoko sary ao an-tsaina sahady,
Hoe iny Samoela fa andeha hanambady,
aza misy manahy ianareo mianakavy e,
Fa hohasaina daholo na lahy na vavy.
Aza misy manahy ianareo re ry vahoaka,
fa ho tondraka be ilay vary sy ilay toaka,
Dia indreto izahay roa vonona hivady,
Ianareo mianakavy mitehaka jiaby e.

ref+

Fa ny anay ho’aho rehefa izay izay izay,
O ry volana tomaratra, ny fitiavana nasandratra
efa izay ho’aho dia aleo ho anay ny anay e.
Fa ny anay oa rehefa izay izay izay
o ry kintana eny ambony hampaherezonao ny fony
dia efa izay ho’aho dia aleo ho anay ny anay e.
Fa ny anay ho’aho rehefa izay izay izay,
fa na ho jazz na ho rock raha ny bandy tsy mitsaoka
rehefa izay ho’aho, dia aleo ho anay ny anay e.
Fa ny anay ho’aho rehefa izay izay izay,
rehefa izy no tandify ny anjara tsy midify
dia efa izay ho’aho de aleo ho anay ihany ny anay e!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 4591
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : atx.c
Daty : 05/12/2002 12:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752