TEZITRA (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa hatry ny omaly ianao
Nandongolongo teo,
Efa hatry ny omaly
Tsy naharenesam-peo,
'Lay masonao tsy mahalatsaka rano o!
Sao mba torana eo
Hampiditra angano.

Ny avonavonao milaza fa tezitra,
Ilay fahanginanao tsapako loatra,
Ny fihetsikao no nahalalàko fa lagy,
Vindavinda be hatreny am-bavahady.

'Tenena foana aloha na hanompa ihany,
Teneno mafy dia ambarao ny ao am-po,
Vazavazao aho na ho any na tsy ho any,
Tabatabao 'zay mankarary ny an-doha.

'Tenena ihany aloha dia aza tsitsina,
Teneno mafy na hisy teny ratsy,
Tanisao daholo dia asio sira,
Na mamaly ary aho aza raharahina.

Hitsio mafy any aza hiasàna saina,
Teneno fotsiny dia 'zaho no mivaky loha,
Mi-insiste aho fa tia anao,
Tsara tso-drano vao mahazo mandao.

Ts'isy herisetra eto f'aza miahiahy,
Ny hadisoana rehetra raisiko ho ahy,
Kôzio daholo f'aza maika ny hiapa,
Ateriko ihany ianao raha toa ts'isy maka.

(He!! hividianana glasy ve tezitra e?)

Degany be mihitsy rehefa ohatr'izao,
Dia mamono afo elah fa akory atao,
Ilay masonao mivandravandra tsy zaka,
Mangaringarika manala baràka.

Tsy hita hatonina, tsy hita atao ahoana,
Be politika ve sa tonga fotoana,
Ny molotrao mivindavinda be mihitsy,
Mizitizity be otran'ny soasisy.

'Tenena foana aloha na hanompa ihany,
Teneno mafy dia ambarao ny ao am-po,
Vazavazao aho na ho any na tsy ho any,
Tabatabao 'zay mankarary ny an-doha.

'Tenena ihany aloha dia aza tsitsina,
Teneno mafy na hisy teny ratsy,
Tanisao daholo dia asio sira,
Na mamaly ary aho aza raharahina.

Hitsio mafy any aza hiasàna saina,
Teneno fotsiny dia 'zaho no mivaky loha,
Mi-insiste aho fa tia anao,
Tsara tso-drano vao mahazo mandao.

Ts'isy herisetra eto f'aza miahiahy,
Ny hadisoana rehetra raisiko ho ahy,
Kôzio daholo f'aza maika ny hiapa,
Ateriko ihany ianao raha toa ts'isy maka.

Rehefa voalaza io mantsy misy espoir,
Raha adika teny gasy: fanantenana,
Efa maharesy f'aza be lolom-po,
Tsiky kely aloha mba ho antsika roa,
Sourire kely fa asiko bisous.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 854
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : litarazavar
Daty : 09/01/2024 13:10
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133