Soly (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Andininy 1:
Dinta kely miraikitra anatin’ny loha
Mikiky malefaka ny ati-doha
Mahazaikazaika toa sary bakoly
No nitiavako anao re ry kala Soly (Ôy)
Ô Rahoviana vao ho hitako ianao, ilay manao dance (manao dance)
Na tratrako manao théatre hariva amin’ny Alliance
Ô Kizintina ery raha miasa maraina fa manao stage
Fa hipetraka lava ao anaty biraon’ny Bourdon Voyage

Fiverenana:
Matimatin’i Soly an; potipotik’i Soly an
Taratara amin’i Soly aho e
Revirevin’i Soly an!

Andininy 2:
Hantahanta sy ditra ary koa hakamoana
No mainka hitiavako anao re ry Soly
Fa toy ny sakay tao anaty rora
Nankafiziko ihany na namoaka mony (Ôy)
Ô Rahoviana vao hitako ianao, ’lay mi-Jean manga (mi-jean manga)
Ô Sy Pull fotsy amin’ny tapany ambony ary volo tsy mba mety lava
Fa ho hatolotro anao : tononkalon’i Elie Rajaonarison
Sy ranomasina masirasira ao anaty balaonina aky

Fiverenana:
Matimatin’i Soly an; potipotik’i Soly an
Taratara amin’i Soly aho e
Revirevin’i Soly an!

Tetezana:
Fa nafohiko daholo eh ny zava-drehetra
Nefa i Soly eh ny mamiko toetra
Nafohiko daholo ny ahy ny fananako
I Soly ihany koa ny hivavahako ô

Fiverenana:
Matimatin’i Soly an; potipotik’i Soly an
Taratara amin’i Soly aho e
Revirevin’i Soly an!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 15666
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 01/11/2001 23:11
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143