oh! ry avo (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref:
O ry ilay nahary, ‘nareo any ambony any
Mba jereo ihany fa mafy ao aloha ao izany
Ô ry Avo indrindra,
Mandahatra ianao ary mandrindra
Arovy ny dia
Ambeno fa sao mikodia!

Ô mila mitandrina
Ny lalana mbola lavitra
Ô mila miatrika
Ny sarotra mbola aharitra
Ô mila misakra
Ny fingana anie tsy voafaritra
Be ny mpanao velam-pandrika
Manafitohana sady mandrangitra!

Ref:O ry ilay nahary, ‘nareo any ambony any
……………………………………….

Ô mila misaina
Ny kinasa tsy maintsy vitaina
Ô mila miarina
Ny tsy mety tsy maintsy hamboarina
Ô mila mitraka
Raha manompo tsy maintsy mahazaka
Be ny mpamingana fa raha mahazaka dona
Mahazaka bagàra!

Ref:O ry ilay nahary, ‘nareo any ambony any
……………………………………….

Vaovao be ny eglizy e!
Tongava daholo rankizy
Ato tsy misy krizy
Ny finoana ato tsy omby valizy

Tongava daholo mamangy e!
Fa ny ato, hono, tsy mba misangy
Bal be ny alahady
Asio vandy fa tena glady!

Izany ny “Avia ry mino” ô!
Tsy omby trano ny mpino
Ento ry papa sy mama
Malaky f’aza mihanahana

Tongava fa tsy mialonjafy
Isan’andro ato Kirisimasy
Tongava raha te ahita
Fa ato no maha- tafita

Fiadanana no tadiavinao ô!
Isan’andro tsy lany vavaho
Ho lasa olom-banona ianao
Mino dia lasa ohatri’izao!

Fiangonana tena mibôsy e!
Miracle tsy omby sakôsy
Impiry mandalo jesôsy
An-tanana daholo ny sôsy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 5321
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : blahblah
Daty : 23/12/2010 21:35
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7081