Mihodina (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola mihodina any ikala hatramin'izao an
Mbola mitady patrô manambola hilalao
Mbola mitady, mitsikaraka, izay hamelomana anaka
Saingy ny entana efa tsy avotra, rodana, raraka.

Tsy manaiky resy, manao fetsifetsy mandrapaka izay tratrany
Mitety bar sy fety, Itaosy Ambefitety
Fa izay no mba fantany

Ny trosa fripy, ny trosana beks etsy manaraka
Ny zaza tomany, miandry an'i mama
tsy mety mahasaraka

Kanefany hatramin'izao an
anaty "game", mbola tamana
Madama kely tia milalao an
Kaofina mihitsy ny hatanorana

Kanefany hatramin'izao an
anaty "game", mbola tamana
Madama kely tia milalao an
Kaofina mihitsy ny hatanorana

Kaondrakdaondrana ary ve 'ty kalakely ity
Sa kosa azon'ody?
Ataony daholo na toaka na môly, mihinam-panafody
Efa hatry ny omaly ‘ty no hitako teto, « Permanence »
Tsy mifemaka mihitsy, mizara "virus" i Madama kely anaka

Mitady razoky mba hanome toky, hananganana ny ho avy
Ratsy tarehy manam-bola, na sima, na sola fa maty mosary
Mivavaka mafy manao Haleloia, mba ho sendra ny goavy
Ho sendra ny dondrona, hahita ny pondro, ho tojo matavy

Nefa hatramin’izao an
Anaty "game", mbola tamana
Madama kely tia milalao an
Kaofina mihitsy ny hatanorana
Nefa hatramin’izao an
Anaty "game", mbola tamana
Madama kely tia milalao an
Kaofina mihitsy ny hatanorana

"Professonnelle" be madama an
Kikina mihitsy izay mihanahana
Madama kely tia milalao an
Kaofina mihitsy ny hatanorana

"Professonnelle" be madama an
Ilay zavatra anefa mivoaka nana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 813
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 01/11/2022 17:08
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0792