Medley Big up / Anabo (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref : Anabo Anabo Anabo Anabo
Ao anatin'ireny
Ny fonay tsy miova
Manandratra ambony
Ilay vazo miteny

Ref x4

Tsy iii, Tsy inô no nahatonga izany
Fa maniry ireo namako efa afaka
Tsy iii, Tsy inô, na dia nijaly toy izany aza ianao
Mahareta zandry ee!!! Tsy maintsy ho tafita x4

Ref x2

Kely ialahy, dia nahalala
Izany fahafatesana,izany fahafatesana
Kely ialahy, dia nahalala
Izany fahafatesana,izany fahafatesana

Ref x2

Zary lasa jamba rehefa ela tsy niverina teto an-tanàna
Ka mitady tanana mba hitantana hivimbina
Azafady rey olona raha tsy manahirana anareo
Fa tsy hitanay ity lalana aleha
Very mantsy izahay eto ampovoan'ity arabe
Ka mbà toroy kely ndray mandeha

Ref x2

Zany no fiainana iainana aty e! x2
Fiainana, toy ny vola taratasy a
Zany no fiainana iainana aty e! x2
Fiainana, toy ny vola taratasy a
Vola taratasy tsy anananay x2
Feno soratsoratry ny olo-mahay ka lafo vidy
Tena lafo vidy,
Tena lafo vidy Iiiihhhhhiiiiihhiiiiiii!

Ref x2

Ny amin’ny enina efa latsaka fahefany
Kely sisa izy dia handeha hody
Efa mamboamboatra ny entany
Ilay enta-mavesatra be
Kanjo teo ihany dia nisy nanontany hoe
Iza no andrasanao izany
Sasa-miandry an’i Razaka tsy hivalana
I Paoly indray no tonga nisava ny lalana
Raha tsy tonga hono ianao Razaka
Ny trondro omeny ny saka
Rehefa tsy andrasana i Paoly dia tonga
Tovolahy tsy misomonga izy e!
Vetivety tokoa
Nifanaraka tsara izy roa
Izay Razaka vao mikasa ny ho any
Ny trondro efa tsy ao am-bilany
Izay Razaka vao mikasa ny ho any
Ny trondro efa tsy ao am-bilany

Ref x2

Vroum ndroum ny fiara raha mandalo tanàna
Maromaro mpanakana amin'ilay hotely ô
Ny fiara efa feno, hitsaho ry sôfera
Hitsaho ry ngiahy sôfera ô x2
Jejojejo sôfera, raha mamindra vitesy
Misy mademozely amin'ny devant eo ô
Ty tànany havanana toa ratsy fianjera
Moramora ry ngiahy sôfera ô x3
Tsy maintsy tonga any aminay androany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 847
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Dark_Shadow
Daty : 05/12/2020 11:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738