Mbola io (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mahatsiaro ny fahiny aho
Fahiny mbola kely
Mahatsiaro tsiaro foana satria:
Mbola indro tsy afabela
Ilay isika roa tany an-tsekoly
Ilay isika tsy nifankahalala akory
Nanomboka mpinamana
Vao niaraka
Dia mirava avy mianatra iny
Dia tafiara-dalana
Nefa raha vao mifanjohy dia tantara mitohy
'Lay mirava avy mianatra iny
Dia tafiara dalana
Nefa raha vao mifanjohy dia tantara mitohy

Ref: Betsaka ireo zavatra izay mety ampisaraka an!
Maro loatra koa ny tsy itoviana
Raha vao mifangarongaro nefa dia tsy maintsy mihavana an!
Izay no ataovy ao an-doha sy miraikitra ao am-po
Izay no ataovy ao an-doha sy miletika ao am-po
Izay no ataovy ao an-doha sy miraikitra ao am-po

Mijery ny ankehitriny aho
Ny anio iainan-tsika
Manotany tena lava aho satria
Ianao tsy mino foana
Dai mbola tsy matoky foana ianao
Tsy mino ny ela vita
Kanefa na roanjato pejy ary aza
Tsy ampy ny tantaran’tsika
Tsy hitanao ve io an!!
Fa tsy izao ve io
Ny omaly tadidio fa banjino koa ny anio
Itanao ve io an
Za mbola io
Ny omaly tadidio fa banjino koa ny anio

Ref: X2
…Na aminao io eh na amin’ahy
Fa dia izay oa  dia izay dia izay ao!!!

                                       Samoëla
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 9748
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 31/01/2006 18:48
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.465