Martine (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iny indray Martine e, iny indray ikaladala
Zanaka mpiandry izy iny e, monina ao Andravoahangy
Iny indray Martine e, iny indray ikaladala
Zanaka mpiandry izy iny e, monina ao Andravoahangy

Fa tsy navelan'i bôfy sy bainina hono izy fa ny zanany tsy idiran'angano
Nefa mahalala menatra sy ouainina hono izy raha giazanao hidiana aman-trano
Rehefa te hahalala zavatra, ividianana télé
Raha mba te haheno zavatra, ividianana radio
Raha mba te hahakobo zavatra, ividianana gazety
Nefa mbola tsy mety a
Nefa mbola tsy ampy zara ny fialamboly
Ary tsy lamaody intsony koa ny saribakoly
Mba mila olombelona izy hiara-matory
Mila kofboay hanalany ny fony

Tiany andramana daholo
Tiany andramana daholo, ny mifoka rongony
Tiany andramana daholo, f'izy mbola tanora
Tiany andramana daholo izay raran'ny didy folo
Tiany andramana daholo ny zavadrehetra
Tiany andramana daholo, f'aza asianao fetra

Tiany andramana daholo a
Tiany andramana daholo sy hakana fý
Izay rehetra azo ankafizina amin'ity tany ity

Tiany andramana daholo a

Ao an-tranonao ao, na sakay aza tsy andramana e
Fa ao an-tranonao ao, na kafe aza tsy hohanina
Ao an-tranonao ao, tsy azo ifohana sigara
Ao an-tranonao ao, ny rehetra dia voarara

Iny indray Martine e, iny indray ikaladala
Zanaka mpiandry izy iny e, monina ao Andravoahangy
Iny indray Martine e, iny indray ikaladala
Zanaka mpiandry izy iny e, monina ao Andravoahangy

Fa any indray andro any e, indray andro any
Mbola ho tezitra hono izy e, indray andro any
Fa indray andro any e, indray andro any
Mbola hamaly hono izy e, indray andro any
Raha tsy avelanao hivoaka izy hampiditra kofa
Ho fenoiny rongony koa ny vary sy laoka
Indray andro any ho'aho, indray andro any
Dia ho tapa-kofehy hany izy e, dia mba handehandeha
Na tsy isan'andro anie fa indray mandeha

Indray isan-taona vao mba misy Noely
Indray isan-taona vao misy Paka
Indray isan-taona vao misy Pentekôty
Indray isan-taona ny aniversera

Ka avelao avy izy e mba hanao zay tiany
Ambilay izy hanao zay niriany
Ambilay izy fa aza kobokobonina
Ambilay izy mba hitovy amin'ny olona
Ambilay hany izy zama raha mba misy envie
Ambilay hany izy neny e, mba hagnano folie

Iny indray Martine e, iny indray ikaladala
Zanaka mpiandry izy iny e, monina ao Andravoahangy
Iny indray Martine e, iny indray ikaladala
Zanaka mpiandry izy iny e, monina ao Andravoahangy


Managno olo very jery sa managno olo-tsisy jery
Isan'andra volagni volangi
Ino ma raha tia ataonao ambarao zaha, ino raha tia ataonao hoy 'za
...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 1636
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 15/09/2018 17:08
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122