Mambabo (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Pôliako avy lavitra aloha,tsara eh!
Dinihiko ny lafiny roa, ny avy ato afara sy ny avy ao aloha
Vao miresaka dia mambambo fo,tara eh!
Mampitahotra fa toa mpaka fo,maketsy ary koa makeroa
Ooooooo

Pôliako avy lavitra aloha,tsara eh!
Dinihiko ny lafiny roa, ny avy ato afara sy ny avy ao aloha
Vao miresaka dia mambambo fo,tara eh!
Mampitahotra fa toa mpaka fo,maketsy ary koa makeroa
Ooooooo

Fa tsara hono ianao , tsara eh!
Mahatara hono ianao , tara eh!
Mambabo hono ianao , babo eh!
Ianao iny

Manakorontana ny be sy ny maro oh!
Mampifamototra no mampifangaro oh!
Mahasondriana an'ireto mpandalo oh!
Mampisaritaka an'ireo saro-piaro oh!

Manja aloha dia manja tokoa , manja eh!
Mampitorina ny zanak'atidoha, mampiasa loha sady manimba fo
Mitsiky aloha dia meva tokoa , meva eh!
Fa ilay revy no toa kitoatoa , fa lava tongotra no tia miara-droa fa...

Tsara hono ianao....

Avy ianao zay , mafatifaty no sady masay
Avy ianao io , mandravarava miseho azy ho tadio
Tsy mievitra hanozona fa sao miantso vonjy raha tontonan'ny tsozona eh
Tsy hirary loza fa ratsy be lay misy soratra foza eh

Manakorontana ny be sy ny maro oh.......
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 20/02/2020 13:03)
Misaotra anao nampiditra ny hira o
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 1266
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : leftia
Daty : 20/02/2020 13:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0739