Hiverina (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Henoko ianao nandalo, hoe haka tso-drano
Tso-drano nomeko anao efa marobe
Hitako ny sms-nao manamamo
Mba lanjalanjao ihany ny vavabe

Menace-nao tafahoatra, feno ny fb
Manala baraka tena, tsy menatra
Tsy haiko ny atao anao, ‘ty ramose
Ny alaheloko, ny hatezerako be dia be
Tsy haiko ny atao anao, ‘ty ramose-ko
Mbola tsy te-hiverina aho fa sao manenina

Henoko ny antsonao fa tsy voaraiko
Tatasiaka tsy misy farany ka tsy haiko
Henoko ny dédicace-nao fa tsy nilaiko
Kafara tsy mety vita, marary zaho
Tsy vitan’ny mikiakiaka fa manalika
Tsy te-hihaina an’izany aho na iray minitra

Tsy haiko ny atao anao, ‘ty ramose
Ny foko tsy mety tony fa leo be
Tsy haiko ny atao anao, ‘ty ramose-ko
Izaho sady te-hiverina no te-handeha

Nefa aminao ihany ity fo adala
‘Lay nandramako nafindra fa tsy tamana
Izaho mbola te-hiantso anao malala
Tsy maintsy mbola hiverina any aho fa andraso any

Nefa aminao ihany ity fo adala
Anao ve no tena tsara sa hoe ‘zaho no tara
Kara olona azon’ody aho ity chéri
Tsy mety manadino ka alamino

Nefa aminao ihany ity fo adala
‘Lay nandramako nafindra fa tsy tamana
Izaho mbola te-hiantso anao malala
Tsy maintsy mbola hiverina any aho fa andraso any

Nefa aminao ihany ity fo adala
Anao ve no tena tsara sa hoe ‘zaho no tara
Kara olona azon’ody aho ity chéri
Tsy mety manadino ka alamino

Nefa aminao ihany ity fo adala
Anao ve no tena tsara sa hoe ‘zaho no tara
Ny foko tsy mety miala ary tsy miova
Ka raha misy fotoana kely dia mandalova
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 4196
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 06/05/2019 11:34
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0191