You are here: home > Tononkira > Samoela

Hirahira (feat Rijade) (Samoela)

Ngôma, lavitra anao, ehiii
Mangina araiky tsy  haiko raha ataoko
Tsy  haiko,  hitako ela hiaviako,
Tsy andriko intsony  hipodiako
Ankilanao mahasambatra ‘zaho

Faly ny ao anaty foko ao
Sambatra aho fa manana anao
Mientanentana avokoa ny rehetra
Ianao no tiako tsy misy fepetra
Na lavitra ny misy anao any
Ny foko sy ny saiko efa any
Manantena an’ilay indray andro  any
F’efa elabe mihitsy aho tsy niaina an’izany

‘Zaho koa malala ô, ravotononkira.serasera.orgravo ny fo
Vao mandre anao ô, lasalasa ambiroa
Soa fa nisy ny feo, soa fa nisy ny sary
Hihaonako aminao any e
Fa na misy alahelo na sarahan’ny tany
Io tsy ho ravan’izany e.

Efa lasanao any e,  ny hafaliana
Navelanao teto, sovenira
Efa fomban’ny tany e, indraindray mangina
Ka aleo tsy misento fa hirahira

Efa tsy ela ‘zaho ho avy

Efa lasanao any e,  ny hafaliana
Navelanao teto, sovenira
Efa fomban’ny tany e, indraindray mangina
Ka aleo tsy misento fa  hirahira

Mpihira : Samoela
Mpamaky : 73
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 22/09/2022 19:52:22
ID : 14577

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo