Amoronao (Samoela)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Omeo ny tsikinao aho, hifaliako amin’ny fiainako
Omeo ny feonao aho, mba hihira fitia ao anatiko
Fa ilay tsikitsikinao iny, no zava-tsy foiko indrindra
Ilay hirahiranao iny; no porofom-pitia aminao
Koa omeo tsiky sy hira kely aho raha tia ahy ianao
Fa ny fikambanantsika roa hoy aho no toa roaplilany
Miezaka hisondrotra hatrany; hanakatra ny avo
Omeo ny masonao hijereko ny lalako
Omeo ny tananao aho mba hiazona ahy tsy ho solafaka
Fa ilay jerijerinao iny e!
Ny hat-masonao ’lay manjamanja
Ny fitatananao iny, sy ny tananao misafosafo an-dalana
Koa omeo maso sy tanana kely aho raha tia ahy ianao
Hividianako chocolat
Hitondrako vespa
Tsy avelako harary na inona na inona
Fa ho ody tazo ho anao ny nivaquine
Voninkazo zakarandah, no hamenoantsika ny agenda
Tsy resahiko politika
Tsy resahiko fivavahana
Fa ho ampireveko THB
Mba ho soa ny fiarahana
Hividanako saucisson
Hijerentsika vidéo
Ampireveko la glace
Sy jus-na mananasy
Fa tiako ny amoronao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Samoela
Vangy : 9265
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 01/11/2001 22:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0834