hiroso hatrany (S.A Voatsinampy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa natokako anao avokoa Ny fiainako manotolo
Tsy hivadika aho ,tsy hiova aho
Fa ho anao hatrany hatrany
Ka na maro aza ireo fisedrana
Ao ko ireo fitsapana
Tsy hihemotra aho fa hiroso hatrany
Hanao ny asanao
1- Tsy hangozohozo aho na hanan-panahina
Raha sedra ny sarotra sy ny fahoriana
Fa atokisako zato isan zato ianao tompo
Tsy mba handao ahy izany
Na ho mafy na ho mora ,izao de tsy hiova
2- Tsy hiverin-dalana aho na mazana ny dia
Tsy hisalalasa ny hiroso aho satria
Fialofana sy baterie fiarovana ho ahy
Ianao Andriamanitrao
Ka n'inona n'inona mitranga izao de tsy hiala.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : S.A VoatsinampyVisites : 153
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : vanessaPARANIAINA
Date : 19/10/2025 07:31
