Vazomboanam-pitia (Rocco)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny toaka nosotroina ve no miakatra ato andoha
Sa ny fitia no mila vazom-boana ?
No dia mahatsiaro anao efa mila hankandoa
Mirediredy foana

Tsy ny hahatsiaro anao no hisotroiko toa izao
Dia ny hanadino anao no hihirako toa izao

Ny rano nosotroina ve no lasa afo ato an-tratra
Sa ny fitiavanao no mbola mandoro
No dia mamaivay ny molotro roa
Sy may ny ati-vava

Tsy ny hahatsiaro anao no hisotroiko toa izao
Dia ny hanadino anao no hihirako toa izao

Ny tavoahangy ve no ohatran’ny malama
Sa ny tànako no mahatsiaro anao
Dia ohatran’ny tenanao no fendaiko
Ry malala

Tsy ny hahatsiaro anao no hisotroiko toa izao
Dia ny hanadino anao no hihirako toa izao

Ilay raoma fotsifotsy ve no lasa ranomainty
No dia anaranao no hitako ombieny
Fa dia mihaolohaolo manadala vetivety
Ireny angatra ireny

Tsy ny hahatsiaro anao no hisotroiko toa izao
Dia ny hanadinoanao no hihirako toa izao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rocco
Vangy : 2232
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 13/04/2015 19:54
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1171