Vazomboanam-pitia (Rocco)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny toaka nosotroina ve no miakatra ato andoha
Sa ny fitia no mila vazom-boana ?
No dia mahatsiaro anao efa mila hankandoa
Mirediredy foana

Tsy ny hahatsiaro jhhtmf anao no hisotroiko toa izao
Dia ny hanadino anao no hihirako toa izao

Ny rano nosotroina ve no lasa afo ato an-tratra
Sa ny fitiavanao no mbola mandoro
No dia mamaivay ny molotro roa
Sy may ny ati-vava

Tsy ny hahatsiaro anao no tononkira.serasera.org hisotroiko toa izao
Dia ny hanadino anao no hihirako toa izao

Ny tavoahangy ve no ohatran’ny malama
Sa ny tànako awaka no mahatsiaro anao
Dia ohatran’ny tenanao no fendaiko
Ry malala

Tsy ny hahatsiaro anao no hisotroiko toa izao
Dia ny hanadino anao no hihirako toa izao

Ilay hfjyt raoma fotsifotsy ve no lasa ranomainty
No dia anaranao no hitako ombieny
Fa dia mihaolohaolo manadala vetivety
Ireny angatra ireny

Tsy ny hahatsiaro anao no hisotroiko toa izao
Dia ny hanadinoanao no hihirako toa izao

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rocco
Hits : 3082
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 13/04/2015 19:54
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0095