Irery (RNDR)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mahatsiaro irery aho na be ny akama
Irery aho na be mpankafy
Mahatsiaro irery aho
Na misy an'i mama ankavanana
Misy an'i dada ankavia
Fa ny anah hakiviana alahelo misesy
Ny ao an-doha hoe tsy maintsy ho mpandresy
Sakana rehetra ny anay nampandroso
Sakana rehetra ny anay nampandroso
Fa izaho ilay
Tsy niantehatra njilaka
Matoa tonga eto ni-trav
Izaho ilay niomehezan'ny kill taloha
Fa izao toa manaiky an'ahy daholy ry tazy
Koboko foana ny azo hatokisana
Ny tenako dia ilay Nahary
Rehefa manao soa izaho tsy mila sary
Tsy aderadera ary tsy abaribary
Tsy mila deraina
Ny asa vita an'ialahy no tsaraina eto
Dia ny asa vitan'ialahy no hatsaraina any aorina any
Ao anatin'ny ratsy akoboko hatsarana
Mandeha irery ao anatin'ny haizina
Satria ny tenako ny ahy no hazavana
Mahatsiaro irery aho rehefa misy ny olana
Dia tazomiko an'ahy samy irery
Satria tsisy mahakobo ny tsapako
Rehefa jerena ny alalin'ny fery
Matahotra ho very
Menatra aho rehefa mangataka am-bavaka
Satria tsy miantso Azy rehefa ilay mex
Nefa miangavy Azy aho rehefa any an-davaka
Irery ao anatin'ny maro
Life io tsy mora izay aloha fantaro
Irery ao anatin'ny maro
Izahay tsy hifangaro
Ka iza no hiaro?
Ankotran'ilay Telo Izay Iray
Ankotran'ilay Telo Izay Iray
Hazo tokana tsy ala
Ka raha tsy mitovy fototra aminay izay dia tsy hiray
Irery ao anatin'ny maro
Life io tsy mora izay aloha fantaro
Irery ao anatin'ny maro
Izahay tsy hifangaro
Ka iza no hiaro?
Ankotran'ilay Telo Izay Iray
Ankotran'ilay Telo Izay Iray
Hazo tokana tsy ala
Ka raha tsy mitovy fototra aminay izay dia tsy hiray
Mahatsiaro irery ao anaty ny maro
Satria izaho ilay bandy tsy tia mifangaro
Ka izahay mila miaro
Mila miaro tena fa tsy kobo intsony ireo fahavalo
Firy ny namana izay natokisana
Nefa navelan'ireo hiady irery
Rehefa nijaly izaho toa tsy hita lisany
Rehefa mandresy aho mahaiza mijery
Fa nakako lesona
Tsy irery intsony aho raha sipa ny resaka
Tsy lafatra ankehitriny
Fa efa tonga saina ny bandy dia miezaka
Miezaka foana nata mandeha solo
Vitako foana io na mafy ny sedra
Mora kokoa anie ny miara miampita
Kanefa izaho tokana anatin'ny rehetra
Fa tsy hilavo lefona
Ny olana rehetra any aorina any ho levona
Efa ela aho no niady irery
Ka raha opportunités ny ahy tsy azo lavina
Mora aminay ilay hoe matoky ny hafa
Mandiso fanantenana ny olona
Tsy herin'ny maizina
Fa raha maraina ahy tsy à l'aise
Fa mex kokoa ny alina
Satria ny alina izaho mandalina
Izay rehetra niainako tamin'ny maraina
Satria ny alina izaho irery tsisy mahakobo
Dia izay vao mamoaka taraina
Fa bandy ny tena
Dia ohatran'ny hoe fady maneho halemena
Hatokiso ny tenanao ozy ny mamako
Dia izay tsy mahatoky aleo hiala maina
Irery ao anatin'ny maro
Life io tsy mora izay aloha fantaro
Irery ao anatin'ny maro
Izahay tsy hifangaro
Ka iza no hiaro?
Ankotran'ilay Telo Izay Iray
Ankotran'ilay Telo Izay Iray
Hazo tokana tsy ala
Ka raha tsy mitovy fototra aminay izay dia tsy hiray
Irery ao anatin'ny maro
Life io tsy mora izay aloha fantaro
Irery ao anatin'ny maro
Izahay tsy hifangaro
Ka iza no hiaro?
Ankotran'ilay Telo Izay Iray
Ankotran'ilay Telo Izay Iray
Hazo tokana tsy ala
Ka raha tsy mitovy fototra aminay izay dia tsy hiray
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RNDR
Vangy : 31
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tokysitraka
Daty : 06/01/2026 07:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.068