Ry Tany (PrincesS K-Raille)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Amin'ny kalo mozika ventso no ilazako azy
Fa ny tany anie efa be ireo te hamotika azy
Be no te amingana, anafongana, anakorontana
Manjakazaka ireo miseho ho tompon'Amontana
Hey!
Ny ambony jamban' fahafinaretana
Ny ambany jenjin'ny aretina
Oh!
Aiza ary ianao ry Zion
Sy ny fitoviana fa ny aty aminay efa tsy amin'izay laoniny
Oh ry fahazavana, tsilovy ny tany
Oh ry Zanahary, tsaboy ireo saina marary
Zay no laharam-pahamehana
...
Rahoviana? Mba ho avy 'lay tena anjara masoandro o
Mba ho taona Zina lalandava 'lay Madagasikarako
Ho lavitra ny fihafiana, dia ho toerana matsiro 'lay fandalovana o
Tsy hisy intsony ny fijaliana, ka ho may faty tany 'lay Babylone
Nofinofy anie zany
Na 'zany ary mba miandrandra aminao ry Jah
Zay omenao anie dia revenay fa...
Anio aloha 'zahay mba hangataka
Oh ry fahazavana, tsilovy ny tany
Oh ry Zanahary, tsaboy ireo saina marary
Zay no laharam-pahamehana
...
Ny ambony jamban' fahafinaretana
Ny ambany jenjin'ny aretina
Oh! Aiza ary ianao ry Zion
Sy ny fitoviana fa ny aty @nay efa tsy @zay laonin
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : PrincesS K-Raille
Vangy : 1312
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ricam26
Daty : 11/11/2016 10:47
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727