You are here: home > Tononkira > PrincesS K-Raille

Foiko (PrincesS K-Raille)

https://tononkira.serasera.org/hira/pricess-k-raille/foiko

Raha androany ah hanoratra ho anao
Ny fahazazana vita k'avelao
Ny aiko foiko ho anao raha sitrakao
Ka aoka re ny anarako tsy atero k'alao

Voady, fampanantenana vita
Ambetiteny hoe ndao iara-mita
Zao kotroka sy fahavaratra mangatsiaka
Lasa olan-dava no kilalaontsika

Oh leity e ! Tsy be ny mba hatako
Tsy vola aman-karena no andrasako
Zavatra tsotra zay tsy mba nananako
Fitiavana 100% avy aminao re rahavako
Zany ve dia sarotra ? Fitiavana 100% ve dia sarotra ?

Niandry aho Niandry zay mba fiovana
Niandrandra lanitra mba ho tamàna
Nitaraina ah fa tsy tàna
Indrisy fitaka no azoko mazàna

Anio aoka mba tsy ho azoko ny tsiny
Raha ho aTsiky dia ampyrodako ny fahiny
Be loatra ny loto anatin' siny
Ka ho dioviko samirery fa miala tsiny

Oh leity e ! Tsy be ny mba hatako
Tsy vola aman-karena no andrasako
Zavatra tsotra zay tsy mba nananako
Fitiavana 100% avy aminao re rahavako
Zany ve dia sarotra ? Fitiavana 100% ve dia sarotra ?

Leo miangavy aho
Taraina no fialam-boliko
Ranomaso no angoniko
Reraka aho fa tsoriko
Raha hiala ianao dia zao no fotoana
Mandehana fa tsy olana o
Mandehana fa foiko
(Mandehana fa foiko)

Oh leity e ! Tsy be ny mba hatako
Tsy vola aman-karena no andrasako
Zavatra tsotra zay tsy mba nananako
Fitiavana 100% avy aminao re rahavako
Zany ve dia sarotra ? Fitiavana 100% ve dia sarotra ?

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : PrincesS K-Raille
Mpamaky : 448
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 08/01/2017 21:48:48
ID : 9056

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo