Velirano (Pit Léo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa na mamy na mangidy
Efa ianao ho'aho no safidy
Fa na mora na sarotra ny anilanao
Dia zaho tsy hiala aminao
Efa ela ihany zay nitsiriritako
Tonga dia alaiko vady
Fa tsy ataoko sipako
Ho ataoko hitan'izao tontolo izao
Mihitsy hoe ianao no madamako
Ianao ny anjarako

Aza tsikitsikian'ialahy intsony izy
F'efa lasako ny fony
Any an-kafa ialahy mitady
F'aza atý no mila ady
Aza be fitetika ho'aho
Raha tsy te ho faty

Tena tiako ianao
Ho vazavazaiko ho ren'ny tany
Ho ren'ny lanitra
Ho ataoko sarobidy ianao
Mamy ny anilanao, malala

Ohatr'izany ny fitiavako anao
Fitiavako anao

Na ambony na ambany
Na ny tsiky na tomany
Zaho tsy miala zany
N'inona inona mitranga

Betsaka ny sipa manja ankoatra anao
F'ianao, ianao ihany ny an'ahy
Tonga ihany hoe lay nandrasako
Hatry ny ela, hatry ny ela
Tsisy afa-tsy ianao
No mameno ny bangako
F'aza avela, f'aza avela
Efa nomeko anao ny volana
Raha takatro
Efa nafoiko anao daholo
Zay kely ananako
Atsangako ny tanako

Ohatr'izany ny fitiavako anao
Fitiavako anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Pit Léo
Vangy : 3849
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : danymanitriniala98
Daty : 07/06/2019 10:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5646