Lazao izy (Pathy Andréas)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba lazao izy fa notiaviko
Ireo tsiky sy hamamiana niova ho ratram-po
Navelany eto anie aho nigogogogo
Lazao izy fa hatreto aloha tsy nisy nahasolo
Aiza ho aiza no tokony alehako
Mivembena eto aho fa izy tsy ho hitako intsony

Fa izy anie lasa any lavitra any
Izaho tavela milomano anaty sento sy tomany
Fa izy anie efa sambatra any ho any
Anilan'olon-kafa hono mifamihina aok'izany.
Ouh ouh ouh

Teto aho nibanjina ny lanitra
Izaho sy ny fahanginana no mpinamana
Rotsirotsin'ny haizina, toa tsy mahita tory
Mandinika ny lasa sy ny ho avy, mbola hodiaviko

Fa izy anie lasa any lavitra any
Izaho tavela milomano anaty sento sy tomany
Fa izy anie efa sambatra any ho any
Anilan'olon-kafa hono mifamihina aok'izany.

Ouh, ouh ouh
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Pathy Andréas
Vangy : 121
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 08/05/2024 23:46
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0462