You are here: home > Tononkira > Pathy Andréas

Diso (Pathy Andréas)

https://tononkira.serasera.org/hira/pathy-andreas/diso

Toa adinoko teo ireo tantaratsika
Toa adinoko teo ireo mamy niarahantsika
Lasa entona ireo fikasana tsy vita
Ianao nihevitra fa vita hatreo ny momba ahy
Nefa izao: diso eritreritra ianao

Ref:
Ilay haizim-pito lasa masoandro nibaliaka
Ilay hatsiaka namirifiry lasa hafanana
Nanafoana tsy nisy ny momba anao

Mba tao an-tsainao ve fa ianao no nameno ny androko manontolotononkira.serasera.org
Mba tadidinao ve ireo rediredinao hoe mandrakizay
Ilay fitiavantsika niredareda toa afo mololo
Ankehitriny kosa fitia vaovao no nanintona ahy
Ka izao diso eritreritra ianao

Ref:
Ilay haizim-pito lasa masoandro nibaliaka
Ilay hatsiaka namirifiry lasa hafanana
Nanafoana tsy nisy ny momba anao
Hey

Ref (bis)
Heey, ny momba anao
Ah oh, nanafoana tsy misy
Ouooooh, ny anaranao
Mmh .... ny anaranao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Pathy Andréas
Mpamaky : 259
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : tiavinamarina
Tamin'ny : 05/02/2021 22:46:02
ID : 13344

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo