Tsy handao korana (Père Jaonah s.j)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ilay Sorom-pisaorana nankalazaina no nampiombona teto,
Korana hafaliana tanatin'ny vavaka no niainana teto.
Maro ireo fahasoavana ho entina mody ka hivelomana,
Ary hozaraina amin'ny any an-tanana sy ny ankohonana.

Fiverenana
Tsy handao korana ary aloha, satry foana hijanona eto e,
'Zahay no hifandao , f'ianao Jesoa am-ponay ao.
Tsy handao korana ary moa e, miandry ny any an-tanana,
Mbola hihaona eto indray, hidera sy hankalaza ny Ray.

2-Ilay tsodrano teo izay zava-mahery no manosika anay,
Hitety ny onja sy handeha handroso amin'ny lalina indray,
Hanarato olona izay mbola tsy ao anatin'ny valanao,
Ka ho mpiandry tokana sy ho vala tokana araka ny sitrakao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Père Jaonah s.j
Vangy : 133
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Emanasoa
Daty : 15/05/2024 21:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0749