Omeo Hery (Oriela Maintimolaly FJKM Ambohimamory)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hazoniko tsy atakalo
Ny fanekena izay Nomenao ahy
Fa tokiko tsy mampimalo
Manafaka ny ahiahy
Ny fanenjehan-tsy ahoako
Na eso, latsa, tora-bato
Fa Afakao ny tolokoko
Ka raiso re ny vetsoko ato

Fiv : Kanefa ekeko fa malemy
Ity zanakao, ity zanakao
Variana lava ka manjeny
Mifona aho re sy mitalaho
OMEO HERY AHO (3) Raiko o!
Hijoroako ho zanakao ho doria.

Na ho tafiotra mihamafy
Na oram-be mivatravatra
Na hangatsiaka tsy hitafy
Na koa hisento sy hahantra
Ny ràn’ny Zanakao ry Raiko
’Lay rà nalatsany ho ahy
Fikiriko fa tena ilaiko
Mamelona ny fo, Fanahy


Tonony sy feony : Pasteur RAKOTOARIMALALA Romuald .
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Oriela Maintimolaly FJKM Ambohimamory
Vangy : 2905
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 02/04/2005 06:01
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.019