NY VOLA SY HARENA (NY MAHEFA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny vola sy harena, dia hozatry ny fiainana
Mampifaly koa ny tena, tsy ho velom-pitarainana
Nefa zavatry ny nofo, mora simba mora mihofo
Eny manam-pahalaniana, ka tsy azo hitokiana
(2fois)

Inona ary hoy ianao, ry tanora vao misandratra
No mba azonao hatao, hahatonga anao ho sambatra
Ny fahaizana katsaho, amy fo tsy mihambatrambatra
Fahendrena re hajao, dia ny soa hitambatambatra
(2fois)

Ny vola sy harena, dia hozatry ny fiainana
Mampifaly koa ny tena, tsy ho velom-pitarainana
Nefa zavatry ny nofo, mora simba mora mihofo
Eny manam-pahalaniana, ka tsy azo hitokiana

A/C : Aubry RAZANAMAHEFA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : NY MAHEFA
Vangy : 783
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : toukrth
Daty : 28/10/2020 08:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1081