Jesoa Fitiavana (NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana))

1- Am-pototry ny hazo fijalianao
eo no iankohofako Jesoa
(Jesoa malala o!)
mba sasao sy diovy amin'ny ranao
ity mpanota izay efa nandao.

Ray malala o!iza no anafaka ahy
amin'ireo ota mamatotra ahy
soa fa teo Ianao Jesoa Fitiavana
miandry ahy hamonjy ny fanahitononkira.serasera.orgko

2- Raha tojo tafiotra ny fiainako ety
akaikinao Tompo o!fiadanako
(Jesoa malala o!)
indro Ianao manolotra ny tananao
hitantana ahy ho eo anilanao

Ray malala o!Iza moa no itarainako ?
hitondrako ireo adim-panahiko
soa fa teo Ianao Jesoa Fitiavana
nampitraka ahy sy nampahery hatrany

Mpihira : NY KORAITA (FJKM Manarintsoa Finoana)
Mpamaky : 964
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Herizo15
Tamin'ny : 11/07/2020 07:18:45
ID : 12876

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo