Faneva zaikabe faha XIII FDL Ambatondrazaka (Ny Antso (FDL Ambatonjara))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
NY FAHATSARANA DIA HO ANAREO
Hira faveva FDL Zaikabe faha-XIII tany
Ambatondrazaka (03-06 Aogositra 2023)

Andriamanitra Ray tsy Toha
Midera mankalaza Anao
Nasehonao ny famindram-po
Indrindra ny fitiavanao
Ao amin’ny Jesosy Tompo
Nasehonao ny fahatsarana
Natolotrao ho anay mpanompo
Ho anay izay mino ny anaranao

Ny fahatsarana dia ho anareo
Ho anareo izay mino ny Ray
Ka tano mafy ny finoana
Hitombo amin’ny fahatsarana

Jesosy tompon’ny finoana
Hanolotra ny tsara indrindra
Ho anareo izay mino Azy
Tehirizo tsara ao am-ponao
Ny famonjena natolony
Ny fahatsarana dia ho anareo
Ka aoreno ny finoana
Ho anareo izay mino Azy

Ny fahatsarana dia ho anareo
Ho anareo izay mino ny Ray
Ka tano mafy ny finoana
Hitombo amin’ny fahatsarana

Ry lehilahy mahereza
Hazony mafy ny finoana
Nomena anao ny fahatsarana
Miorena tsara aza miova
Ao amin’i Jesosy Tompo
No anorenana finoana
Nomena anao ny fahatsarana
Ho anao izay mino ny anarany

Ny fahatsarana dia ho anareo
Ho anareo izay mino ny Ray
Ka tano mafy ny finoana
Hitombo amin’ny fahatsarana

Ny fahatsarana dia ho anareo
Ho anareo izay mino ny Ray
Ka tano mafy ny finoana
Hitombo amin’ny fahatsarana
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny Antso (FDL Ambatonjara)
Visites : 322
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Ambatonjara
Date : 06/07/2025 06:15
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0792