MBOLA TSY TARA (Ny Antsa Mass Choir)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rendrarendra tsy vita fahazaran-dratsy
Hialao razandry fa fahazaran-dratsy mahafaty e
Laingalainga fataonao isan'andro vaky zoky e
Misy farany e, Ny marina tsy maintsy hitranga

Choeur:
Rendrarendra tsy vita fahazaran-dratsy
Hialao razandry fa fahazaran-dratsy mahafaty e
Laingalainga fataonao isan'andro vaky zoky e
Misy fetrany e, Ny marina tsy maintsy hitranga
Fa mandalo ihany ny fiainana eto an-tany (tsarovy e)
tsarovy fa mbola ho tsaraina ianao
Manokatra lalana ho amin'ny fiainanao
Jeso hanome ilay fiainam-baovao tsara ho anao

Ref x2 : Miverena ianao f'izao no fotoana e ia (mbola tsy tara ianao)
Dieny mbola tsy tara miova dieny izao (eeeee)
Fa paradisa fiainana mandrakizay ho anao
No omanin'i Jesoa ho anay sy ho anao

Ny adiady kakay lolom-po anaty
Hitondra anao any amin'ny fahaverezana any
Vetaveta filana fisainan-dratsy zoky e
hamotika anao sy hahavery ny fanahinao
Fa mandalo ihany ny fiainana eto an-tany (tsarovy e)
tsarovy fa mbola ho tsaraina ianao
Manokatra lalana ho amin'ny fiainanao
Jeso hanome ilay fiainam-baovao tsara ho anao

Ref x 2 :................

Mibebaha ianao razandry e (Mbola tsy tara e)
mibebaha ianao razoky e (Mbola tsy tara e)
avelao ny toetra ratsy e (Mbola tsy tara e)
avelao fa tsy mahavonjy e (Mbola tsy tara e)

Tsarovy fa tian'i Jesosy ianao
Fa na dia mena tahaka ny jaky aza ny fahotanao
dia ho fotsy tahaka ny oram-panala
raha mibebaka marina amin'ny fonao ianao
tsy aleo ve miova hevitra dieny izao dieny mbola tsy tara e

Refx2: .....................
No omanin'i Jeso ho anay sy ho anao
No omanin'i Jeso ho anay sy ho anao
no omanin'i Jeso ho anay sy ho anao

(izany lehiretsy e, miverena e, fotoana izao)
MBOLA TSY TARA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Antsa Mass Choir
Vangy : 845
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : minohasina2016
Daty : 05/10/2023 11:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733