You are here: home > Tononkira > Ny Ainga

Takarivan'Analamanga (Ny Ainga)

Takarivan'Analamanga mahamanina
Anatirova avo iny mba tazanina
Iny rahona madio manganohano
Mampanembona fanahy, mampikalo

Ambohimanarina irý tataovan-draho-manga
Alasora Tsiky dia ampyno injao manangasanga
Tsy hay afenina ka lazaina
Fa mamelovelo mafy ao an-tsaina

'Zany rahona rehefa takariva
Taratry ny masoandro efa iva
Tsy mba afaka ao an-tsaina
Fa tsaroana raha mbola velon'aina

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny Ainga
Mpamaky : 6711
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : harimintsoa
Tamin'ny : 06/03/2014 11:01:35
ID : 6483

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo