You are here: home > Tononkira > Ny Ainga

FANDEFERANA (Ny Ainga)

https://tononkira.serasera.org/hira/ny-ainga/fandeferana

Fitenintsika matetika:
izay mangina volamena
Tsy midika akory ho faharesena
Ny fandeferana mantsy
maneho ny tena fisainana
Fa ny tendrom-po tsy mba namana.
Irony tsihy hono mantsy
Dia ho fola-mandefitra
Toy ny laferana mandin’izay milefitra
Tsy hisy rà mandriaka, ho foana ny fonja
Raha manjaka ny fandeftononkira.serasera.orgerana

Ianao ry fandeferana
Mahareta am’izay mitia haneho fahendrena

Beazo aho Tompo
mba hahay handefitra
Toy ny namelanao ireo namadika Anao
Handresy ny fankahalana
Ka ho vontom-pitiavana
Dia ho tara-pandeferana.

Ianao ry fandeferana
Mahareta am’izay mitia haneho fahendrena
Ekeo, fa tsara ny maha-olona
Sikajiana tsy mba mandray.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny Ainga
Mpamaky : 4003
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : RAFILOZOFY
Tamin'ny : 25/08/2004 04:16:56
ID : 2581

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo