Tsy digniko (North and Center)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1°- Mangatsiaka ny tontoloko nilazanaoLasa maizina ny androko raha tsy eo ianao
Marary ny fo lasa lavitra mieritreritra
Adinoy ny lasa fa andao samy hifandefitra
Ny tanako raiso f’aza avela itaraina
Izay antony nandehananao aoka ho lasa sedra
Eo anilako eo foana ny toerana misy anao
Fa izaho tsy hitsoaka ary tsy handao anao
N’inona n’inona eritreritra n’inona n’inona atao
Dia mibahana ato anatiko foana ny fisian’ny anjaranao
Atao ahoana mo ny hanadino izay vita
Na mody hodiana fanina na mody hodiana tsy hita
Izaho na kof’boay aza indraindray
Tsy maintsy mipitrapitra ary tsy maintsy mety ho fay
Fa ny fitiavako anao ry jôba tsy mety ho ritra
Ka na io lanitra io aza na ho feno kintana
Ho alaiko anao daholo ireny hanome hazavana manjopika
Fa raha ianao no anjarako, resentsika ny vintana
Ref : tsy digniko, raha nahatsiahy e
Sarotra ô, izaho no tiany
Aza ambelanao izaho ô,
Eh tiako, marary izaho ô
2°- Tsy tena fiananao ny andeha any lavitra tsy anilako
Lavitry tratrako eo, lavitra tsy anilako
Fa izaho matoky e, maharitry fitiavako
Fiainana maniry ity, aza mandao
Fa misy mahatsiaro mankatia anao
Mieritreritra isanandro ilay fotoana niarahana
Ilay notsarotsaroana anefa fa ny raha tsy fanadino
Baby e, anao foagna mijery
Tsarova baby e, fiarahana aza adino
Aza miova fo eo, aza avao
Izao tontolo izao vavolombelon’n’ny fitiavako
Aza mandao fa mafy re ny tia anao
Efa koboko avokoa ny hadisoako mama a!
Izao vao tena tsapako ny adalako neny e!
Matsiarotsiaro sy manembonembona anao
Fanirian’ny foko tsy hisaraka aminao
Samy diso anie na izaho na ianao
Baby e! Henoy izaho, maninona ary ianao?
Dia sahinao ve ny handao ity tany ity
Aza mamono tena izany hoa ianao baby
Ilay menaky ny ain-tsika izay ao an-kibonao
Tsy manan-tsiny izy moa fa avelao
Ndao hifamerina fa mbola tia sa tsia ianao?
Ny entanao raiso hoa, aza mandà aza mandao
Ref : tsy digniko, raha nahatsiahy e
Sarotra ô, izaho no tiany
Aza ambelanao izaho ô,
Eh tiako, marary izaho ô
3°- Ô ry sakaiza a! Aza mandao ry malala a!
Aza mandao, ô my darling
Anao my baby girl, ô my girl friend
Anao my baby love, baby love e! My kitty love e!
Ho sanatria ho mister love love e!
Ekeko fa nampirafy anao aho indraindray
Fa maizinkitroka gangster d’amour mandrakizay
Izao vao tena tsapako f’ianao ilay tena izy e!
Avoakao daholo ny entana anaty valise e!
Dia henoy ny zavatra tenenko an’toi
Tia anao foana aho, aza ilaozanao hoa izaho
Ny fiarahantsika aza ataonao ho tsinotsinona
Fa izaho anilanao raha misy tsy mapionona
Ireo teny nataonao taloha no ataovy am-bava
Raha mbola misy dikany aminao, dia aza avela ho rava
Izay nahorintsika anie, mba hitsangana ho vato
Fa ny antsika no tena fitiavana tonga lafatra
Ref : tsy digniko, raha nahatsiahy e
Sarotra ô, izaho no tiany
Aza ambelanao izaho ô,
Eh tiako, marary izaho ô
Ianao ry jôba tsy hisy ahasolo anao
Iraiky tavela koa tsy manina anao
Fafao ny ranomaso, izao eo foana
Aza mandao fa tena tiako ianao...
Izaho ko tia anao...
--------
Rohy:
Hevitra

Rahnavalona
(
28/03/2025 12:18)
Salama Admi, tsy mbola ni-approuvé nareo ty "North & center - Tsy digniko" ity kanefa efa mba somary elaela kely ihany. Mankasitraka indriindra

hery
(
28/03/2025 21:10)
Efa approuvé efa ela io ka
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : North and CenterVangy : 147
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Rahnavalona
Daty : 18/03/2025 08:05
