mahatsiaro (North and Center)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hey hey hey ouh ouh
Mahatsiaro anao foana aho isaky ny
maraina ny andro,
Mahatsiaro anao foana aho isanandro
isanandro
Malahelo andrii foana aho raha vao
mamoha varavarakely
Malahelo andrii foana aho raha vao
mandre feo-boro-kely;
Oh ouh oh

My first – first – first big love euh
Retenu Mc J Love love euh
Ny elanelan-tany tsy mampatory amin’ny
alina
Malahelo anao ‘zah girl, pretty woman
Tandremo ianao sao lasan’ilay vazaha
europeanina
Manjary mifokofoko mitomany Mc J Logan
Eto am’canapén salon miakatra ny sentiment
Ilay sarinao tam’Twitter no ataoko fond
d’écran
Isanandro aho mihaino ny hiran’I Rossy
“mahatsiaro”
Mbola mivoaka daoro
Ety ambony moto Kawasaki boldor
Mbola miandry anao ‘zah rehefa manao
internet
Te ahita ny endrikao ‘zah rehefa misokatra
ny Skype
Mahatsiaro anao foana aho rehefa
harivahariva ny andro,
Mahatsiaro anao foana aho rehefa
miposaka ny masoandro.
Any Italy-Milan ianao , aza adino’ ny
tantara,
Ilay tany Mantasoa overside Madagascar.

Na dia lavitra aza ny elanelan-
tany,MAHATSIARO anao foana aho aty
Ny foko sy ny saiko ferako tsy ho any,
Tsy mety fa mbola minia
Marina fa lavitra anao ohh
Marina fa tsy hita ny atao.

Mahatsiaro anao foana ny aty ny kofboy
hatraiza hatraiza
Isanandro isan’alina na mbola hody na
miodina ny vam
Ny saiko tsy mandamina, za tsy mety
mihonona;
Mijery ny fikorisan’ny fotoana dia nandalina
Ny foko mitempo tsy hay tononina
ny manodidina mimenomenona ny lalitra
mimonomonona
‘zah ty toa mipenompenona
Betsaka ny zava-bita tsy hita takona
hafenina
Mifandimby misesisesy, ny fanahy no
mivezivezy
Fa zah tsy mivazivazy
Nafahako nitady
dia tadidin’ ny saiko no nisafidy nefa tsy
afaka
Voahidy teny antsefatsefan’ny habakabaka,
Ts’isy n’iza n’iza afaka hitsabaka,
Valaka,
Tsy hita n’aiza n’aiza sa tsy haiku
am’fomba malalaka
Fiainana feno fitaka,
Ny tany lasa fotako,
Ranomaso raraka, ny alaheloko bobaka,
Nandratra an’ity foko kely sisa voatrobaka,

Na dia lavitra aza ny elanelan-
tany,MAHATSIARO anao foana aho aty
Ny foko sy ny saiko ferako tsy ho any,
Tsy mety fa mbola minia
Marina fa lavitra anao ohh
Marina fa tsy hita ny atao.

Mahatsiaro anao foana aho neny e,
Tsy hitako izay lazaina.
Eto am’Tour Eiffel aho ‘zao no makamaka
saina;
Malahelo ilay menaky ny aintsika izay ao
an-kibonao,
Soa ihany akia malala fa tsy namono tena
ianao.
Manome toky ‘zah fa ianao irery ihany ilay
fitia,
Aza mitomany izany am’zay elanelan-tany.
Dia iny ny sariko irery teo am’Champs-
Elysés
Ataovy eo an-doham-pandrinanao rehefa
manina ahy beauté
OK milay, ‘zah koa mba ohatr’ohatran’izay
Ny any sisa azoko atao dia manonofy izay
natao
Kopy ianao
Dia ‘zao alefaso ilay sary sexy
Mba jerijereko aty rehefa ngoma ngoma
andriii
Amin’ny heritaona ‘zah mbola hiverina
Ho tonga any am’tanana
Hanao vacance ‘tsika am’izany efa teraka i
Hatsarana
Toa tsy andriko ery akia ‘zany fotoana izany
ry jolie Coeur a,
Izay ny hafatra avy aty am’ North & Center.

Mahatsiaro anao foana aho raha vao mody
ny masoandro,
Mahatsiaro anao foana aho isanandro
isanandro,
Malahelo anao foana aho rehefa mandre
feona- mozika
Malahelo anao foana aho, ny fiarahantsika

Oh ouh
Na dia lavitra aza ny elanelan-
tany,MAHATSIARO anao foana aho aty
Ny foko sy ny saiko ferako tsy ho any,
Tsy mety fa mbola minia
Marina fa lavitra anao ohh
Marina fa tsy hita ny atao.

Na dia lavitra aza ny elanelan-
tany,MAHATSIARO anao foana aho aty
Ny foko sy ny saiko ferako tsy ho any,
Tsy mety fa mbola minia
Marina fa lavitra anao ohh
Marina fa tsy hita ny atao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : North and Center
Vangy : 4174
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : andriamihajaf017
Daty : 07/05/2017 18:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0841