Miverena (North and Center)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jôba anan-kiray, reveko sy tena @ foko
’fitiavakoa an\"azy @taona, tsy mety miova loko
Nomeko azy daholo ny angovoko rehetra manontolo
Saingy ny hetraketrak’ilay fiainana, rava ’lay fiarahana
Izaho no nanimba kôfa hafa no nitavana
nahazo tso-drana avy@rainy, avy @na kilonga vavy kely iray
Hasambarana feno mamy tsy miotran'izany ry tsamy
Saingy ankehitriny kosa toa zary lasa maloka le tany
'san'andro aho te hi tse, hisafosafo azy foana a
isa-tsegondra s'y minitra ry se tsy mahatsiaro noana
'zaho maty lolo, voatorotoro 'lay foko, voa mahita azy eo
dia tena lasa mitoloko, ankafiziko daholo ireo vatany manontolo;
izy tsara tarehy entana sady lava volo.
Refrain:
I’m saying come back
Boy I’m waiting for you
My heart is so bold
Now I’m feeling alone
Don't leave me like this ’cause I'm missing you, missing you
you still love me, and I love you

Any ianao ’zao maheno de-tsarovy fa ..
’Lay fitiavana natolotro anao
dia feno tsy manampetra,
ianao ’lay hery velona ato anatiko
tsy tantiko , tsy foiko ho faty na tapitra aza ny aiko
Fa mila tsy ho zakako mavesatra ’lay nenina
l’ay adalako nissarako vita hatreo ny mipenimpenina
F’izao aty dia lasa manirery manannofy anao
tsy mahita masoandro, hazavana
isan’andro vaky izao. Mangidy mafy tamikoilay fery zato irery,
tsy voafafako ny lasa, miverena fa tsy lasa.
ka tsy haiko r-jôba ny tsy hira ho anao
hanambarako sy hilazako ny ato am-poko @zao
Na dia andro iray monja aza dia sarobidy be mihitsy
Raha mba omenao izany ho sotroiko, ianao no tena tsy foiko.
Maika moa fa hiverina amiko ’zato izy
ho tanteraka @zay lay nofinofiko sy fikasako
de- ho ampihariko. F’ianao lay velona ato anatiko.
Mahatoky f’efa maty ianao, saingy efa voafatotra
any ny andro any volana zay hiverenan-tsika; mbola mafana
’lay fitia tsy maty ny foko tsy mangatsika.

Réf:

Faniriko efa hatry ny ela ny anao mandrak’izay
nefa toa sarotra ny lalana , mitarika andro mahamay
Dia aleko manantena sy miandrandra tsotra izao
hanomanako endrasako lay fiverenanao.
Dien’izao mba tsy ho tampoka izy indray andro any,
hahantra ketraka hitomany anitiko any.
Fendrofendro rano maso sisa no azoko natao
Mba hoentiko hatsiarovana ’lay fitsikinao
soratako ny boky, reketiko ho tantara
Hanomezako toky hoan’reo taranaka any am-para
Mangatsika ny farafara fa tena tsy ampy moûsta
'zaho tsy be kafara, fa rha massotr’izy dia Oûsta!
Tsy asiako ady hevitra intsony ankehitriny f'efa matotra
hatokisako tanteraka f'ianao no lahatro, tsy hatrahatro
ekeko fa mikoriana amin'ny lalandra-ko, mipetraka ao an-dohako,
efa masaka ao an-tsaiko, ry aiko ho antenaiko hijoroan'ny ho avy,
hivavaka aho ho ahy sy ho anao, ary ho anao sy ho ahy,
ka aza avela toy izao fa manina anao, an-kira sisa no ilazako hoe
Miverena ianao!!!
Réfrain:......

"Zay lay hafatra ho anao , dia veloma hono antsoiny"

NORTH AND CENTER

Atolotra hoan’ny Kôfa voadona rehetra
--------
Rohy:
Hevitra
efamira ( 02/09/2015 09:15)
Fanitsiana kely eo amin'ny Fiverenana:

Refrain:
I’m saying come back
Boy I’m waiting for you
My heart is so bold
Now I’m feeling alone
Don't leave me like this ’cause I'm missing you, missing you
you still love me, and I love you
hery ( 02/09/2015 18:36)
Misaotra fa nahitsy
vatex ( 10/05/2017 12:54)
misy tsy ampy bdb iz zan!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : North and Center
Vangy : 5176
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ANDRIATSARAFARAMANANA Richard
Daty : 21/12/2004 03:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0793