MIARAHABA ANAO (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miarahaba anao tonga eto indray
Miarahaba anao tafaraka aminay
Sarotra adino, sarotra hafoy
Ny toerana fiarahantsika hatrizay
                    Miarahaba anao mbola velon’aina
                    Miarahaba anao tsy maty fo aman’aina
                    Ndeha hiaraka handresy ny olana
                    K’aza mieritreritra ny mbola hijaly
Avelao ho any ireo sorisorin-tsaina
Namatotra ny fiainanao tsy ho very maina.
                    Tsy mety angamba e! ny mifandao satria
                    Izay no vita, voasoratra avokoa
                    Hisaorana Izy e! fa nanome
                    Andro iray hiainantsika ety
Anjaranao indray no mampandeha
Ireo tary izay mahatsiaro sasatra
Hitsikitsiky sy hiezaka ny  aty
Hanala vetivety ny hasasaranao
                    Tsy mety angamba e! ny manadino
                    Ireo nahavita sy nanao soa taloha
                    Isaorana Izy e! fa tonga aty
                    Hiaraka hifaly sy handihy
                                    
                              NJILA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njila
Vangy : 2878
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Linah D
Daty : 04/08/2003 14:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.28