You are here: home > Tononkira > Njila

ANY AN-KAFA (Njila)

https://tononkira.serasera.org/hira/njila/any-an-kafa-1

Efa hitanao
Miharihary izao
Ny tsy mety ataonao
K’aza mamorona indray

Tsapako eto fa
Ny toky izay natao
Tsisy lainga taminao
Vazivazy ka natao

Koa ndeha ianao
Zory ny dia
Izaho tsy hoe
Hifikitra aminao
Avelao aho ho eo
Rehefa tsy tianao
Tsy ho lany andro eto aminao
Tsiky dia ampy
Ambarao raha toa
Tsy tia intsony ianao
Hanamboarako ity fo
Mba tsy halahelo anao

Any an-kafa indray
Mandeha manitsaka
F’efa reraka aho izao
Noho ny hitsakitsakao

Tsofin-drano ianao
Hanao izay tianao
Mahazò izay hirianao
La,la,la
Mahazò izay hiriana

                                     NJILA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Njila
Mpamaky : 3200
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Linah D
Tamin'ny : 04/08/2003 07:19:19
ID : 1824

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo