AINA (Njila)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha tonga ilay andro
Voatery handaozako anao
Ireo toky rehetra
Nomeko anao hatrizay
Nokasaiko atao
Na tsy ho tanteraka avokoa
Dia vokatry ny fo
Fa tsy tambitamby tsisy tohiny
Ka na fohy aza
Ny fotoana niarahana
Izay nifaliako
Dia ampy ahy, tsy neniko izany
Fa raha manirery ianao
Antsoy an’eritreritra aho
Ho tonga eo anilanao
Hanamaivana ny alahelo
Raha lasana aho
Ny tenako ihany no handao
Fa ny fitiavako
Mipetraka foana ho anao an!an!
Ka na fohy aza
Ny fotoana niarahana
Izay nifaliako
Dia ampy ahy o!o!
Ireo ora niarahana
No tsarovy tsara
Dia ho tsapanao fa izaho
Anilanao foana

TARIKA NJILA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njila
Vangy : 7952
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Linah D
Daty : 09/07/2003 07:16
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0435