tbr "tsy ny bandy rehetra" (Njara Marcel)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Couplet 01 :
Nomeko azy ilay fitiavako nanambara fa tia azy aho
Indrisy anefa nolaviny, fa tsy mety aminy hono lesy aho
Ka aleoko aloha nangina,
na marary aza ihafiana e
Efa iny no tiany, safidiny ho vadiany
Tena tiako nefa izy iny,
mivavaka ho azy sisa ny azo atao
Toy ireny nidonampahorina
raha ny alahelo ao anatiko ao
Ka aleoko aloha nangina,
na marary aza ihafiana e…
Efa iny no tiany, safidiny ho vadiany…

Bridge (x2):
Ianareo vehivavy anie indraindray tsy mba mety tonga saina
Rehefa voadona avy any vao hoe « kay », mitomany dia avy eo mitaraina

Réf (x2) :
Dia hoe mitovy avokoa ianareo lehilahy, alika fisainana ary koa ratsy toetra
Safidinao sy ilay nety taminao izy iny f’aza hafangaro ny lehilahy rehetra

Aza hafangaro ny lehilahy rehetra

Solo guitare…

Couplet 02 :
Dia iny fa bevohoka, niterahany iray !
Nosimbainy ianao nilaza fa fay
Mipasoka ny lambany ianao sahirana ery, izy any an-kafa maka tsirony
Henoko any ho any hoe mitady ahy ianao
Hialako tsiny tsy any intsony aho
Safidinao izy iny, tsy handatsa anao aho sanatria…
Mirary soa aky… ity ny hirako atolotro andry

Bridge (x2):
Ianareo vehivavy anie indraindray tsy mba mety tonga saina
Rehefa voadona avy any vao hoe « kay », mitomany dia avy eo mitaraina

Réf (x2) :
Dia hoe mitovy avokoa ianareo lehilahy, alika fisainana ary koa ratsy toetra
Safidinao sy ilay nety taminao izy iny f’aza hafangaro ny lehilahy rehetra

Aza hafangaro ny lehilahy rehetra !

Solo guitare…

Fa tsy mitovy ny lehilahy rehetra !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Njara Marcel
Vangy : 9
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tsitokelyko
Daty : 02/02/2026 16:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3297