Ho anao (Liva sy Nirina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny latsalatsa sy ny eson-teny
Tsy hahafoana ilay fitia
Mhm!mmm!mmh!
Ny rabiraby iih! lava-reny
Tsy mampaninona ahy satria!

*Na izaho na ianao
Efa vonona sy sahy
Izay rehetra mety ho sio
Tsy asiana ahiahy.
(x2)

Ka ny hoaviko rehetra
Ho eo ampela-tananao
Ilay fitia tsy hanam-petra
Nampitambatra ahy sy ianao aah!aah!
N'iza n'iza hankahala
Hanaratsy sy haneso!
Ilay fitiavako tsy hiala
Fa ho anao oooh! manomboka eto.
....
Ny lalan-tsika hihihifanjohy!
N'aiza n'aiza no aleha
Ieh!ieh!ieieh!!
Ilay fitiavana hi.hihitohy!
Hiady sy ho rehareha eeeh!!!

*Ny akoran'ny tsy ho tia, hodianay tsy ho renesina
Fa ilay fitiavana ho doria, tsy ho lò tsy ho harafesina.
(x2)

*Ka ny hoaviko rehetra
Ho eo ampela-tananao
Ilay fitia tsy hanam-petra
Nampitambatra ahy sy ianao aah!aah!
N'iza n'iza hankahala
Hanaratsy sy haneso!
Ilay fitiavako tsy hiala
Fa ho anao oooh! manomboka eto.
(x2)

N'iza n'iza hankahala
Hanaratsy sy haneso!
Ilay fitiavako tsy hiala!

Fa ho anao oooh! manomboka eto.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Liva sy Nirina
Vangy : 265
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 28/02/2023 03:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1337