You are here: home > Tononkira > Liva sy Nirina

Hifonako (Liva sy Nirina)

https://tononkira.serasera.org/hira/nirina-sy-liva/hifonako

Tsapako ny hatsaram-ponao ry Jeso ô !
tia ahy Ianao , ka tsy mandao
tsy foinao aho na tsy mendrika aza re
isan’andro Ianao dia mihevitra ny momba ahy
‘zay rehetra mahasoa ahy dia nomenao
f’izao no ninia tsy te halala izany

Lehibe tokoa ry Jeso ny fitiavanao
ka  ny hasambatra ahy hatrany no katsahinao
saingy fahadalana no nasetriko izany
ka raha tsy voadona aho tsy mahatsiaro Anao
mifona re fTsiky dia ampya diso taminao aho Jeso ô ;hifonako ‘zay ratsy vitako
ity ny foko diovy mba ho afaka keloka ry Jeso ô !
ô avia mitoera ato amiko, ry Jeso ô ! mamindra fo amiko

Nanaiky hamonjy ahy Ianao ry Jeso Tompo ô
navelanao ny heloko, ka mahatonga ahy ho olon’afaka
fitia tsy manam-petra no natolotrao ho ahy
hatramin’izao , aim-baovao
Ianao ry Jeso ô! no fiainako

lehibe tokoa ……/ummmmmmmm………/lehibe tokoa………

Hevitra mandeha

Jeyel (13/05/2020 12:22:05)

ilay mihira an'ilay hoe :

Tiako ianao ka tiako, ianao no fifaliako
ianao no nofidiako, atria ianao no tiako
eto ary isika izao, efa mahalala,
fa ny ato am-poko sy ao am-ponao,
dia tena fitia sahala

hery (08/05/2020 06:56:58)

Sa ve ilay Nirina sy Liva mihira ny Fikasana iny ihany?

hery (08/05/2020 06:56:13)

Mba lazalazao hoe ny mikasika an'i Nirina & Liva

Jeyel (05/05/2020 08:41:46)

Salama tompoko,

Nirina & Liva no mpihira azy.

hery (04/05/2020 14:55:11)

Iza no mpihira an'ity azafady?

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Liva sy Nirina
Mpamaky : 145
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : Jeyel
Tamin'ny : 10/05/2020 08:46:24
ID : 12709

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo