FALY AHO (NEW CALLED)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sambatra aho manana Anao, Mitsinjo ahy n’inona atao
Fifaliana izay nomeNao ahy, toa tsy takatry ny saiko intsony
Mihoatra izay rehetra rehetra efa nantenaiko
Tsy hanan-java-mahory aho f’efa ambanin’ny elatrao
Teninao, sandrinao, fiarovana ho ahy
Matoky aho, fa ho tanteraka aho
Satria raha mbola Ianao no mpiahy, ts’isy intsony ny ahiahy

Fiadanana ny ahy vao miantso fotsiny ny anaraNao
Tsapako ny heriNao mameno ahy, manafy ahy
Fa tena sambatra aho fa tia ahy Ianao

Faly aho, mihoby Anao, Fenoinao fifaliana ny ao anatiko ao
Faly aho, miaraka Aminao, Te hankalaza Anao hatrany hatrany aho

Sambatra aho manana Anao, Mitsinjo ahy n’inona atao
Fifaliana izay nomenao ahy, Toa tsy takatry ny saiko intsony
Mihoatra noho izay rehetra rehetra efa nantenaiko
Tsy hanan-java-mahory aho, f’efa amban’ny elatrao
Teninao, sandrinao, fiarovana ho ahy
Matoky aho fa ho tanteraka aho
Satria raha mbola Ianao no mpiahy, ts’isy intsony ny ahiahy

Faly aho, mihoby Anao, Fenoinao fifaliana ny ao anatiko ao
Faly aho, miaraka Aminao, Te hankalaza Anao hatrany hatrany aho
Ankalazaiko ny anaranao, Asandratro avo ny anaranao ouh yeah
Ankalazaiko ny anaranao, Asandratro avo ny anaranao

Faly aho, mihoby Anao, Fenoinao fifaliana ny ao anatiko ao
Faly aho, miaraka Aminao, Te hankalaza Anao hatrany hatrany aho
Faly aho
Yeah yeah yeah yeah
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : NEW CALLED
Visites : 372
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : fanfan2
Date : 20/03/2022 18:04
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734